Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Nofatoran’ny fokonolona …: tratra tao anaty tranon-kisoa ilay tovolahy

    Nofatoran’ny fokonolona …: tratra tao anaty tranon-kisoa ilay tovolahy

    Saron’ny olona tao anaty tranon-kisoa tetsy Ambohitrimanjaka, omaly maraina, nofatoran’izy ireo tamin’ny tady teo amin’ny lalana hiditra ny tanàna  ny tovolahy iray. Voatondro ho nangalatra kisoa, nofaizin’ireo olona nahatratra azy ilay tovolahy. Tsy voamarina mazava anefa raha tena nikasa hangalatra kisoa tokoa ity farany. Voatondro ho tsy salama saina, tsy fantatra mazava izay nataony tao anaty tranon-kisoa. Nentin’ny hatairana ny tompom-biby, nihazona io lehilahy io ka niafara tamin’ny famatoran’ny fokonolona azy teo amin’ny andry iray ampitan’ny tetezana hiditra ny tanànan’Ambohitrimanjaka.

    Tsiferana R.

    Les commentaires sont fermées.