Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    OMAPI: 30 000 ny marika voasoratra hatramin’ny 1994 

    Ny Omapi (Office malgache de la propriété industrielle), dia misahana ny fizaka-manana ny fiarovana ny fikarohana. Ny Omda (Office malagasy du droit d’auteur) momba ny zavakanto ; ny Omapi kosa fiarovana ny famoronana eo amin’ny sehatry ny indostria sy ny varotra.  Afaka mametraka fiarovana any amin’ny Omapi izay mihevitra fa nahavita famoronana. Misy karazany efatra ny voafetran’ny lalàna : asa famoronana (fanafody, fitaovana…) hahazoana brevet ; modely na sary iray ; marika na logo mampiavaka amin’ny hafa, ary ny anaram-barotra.

    Raha ny marika manokana, maherin’ny 30.000 ny mipetraka ao amin’ny Omapi hatramin’ny nijoroany tamin’ny 1994. Misy ny dingana arahina, raha mbola tsy misy mametraka, 180 000 Ar isaky ny 10 taona ny sarany. Ny tena betsaka eto Madagasikara dia ny mametraka marika, satria isika tsy dia mamorona loatra fa miantehatra amin’ny varotra. Raha mpanjaitra, ny anaran’ilay mpanjaitra, raha mpanao konfitiora, ny anaran’ilay kaonfitiora, sns …

    « Araky ny lalàna, rehefa mamorona tsy tonga dia anao fa tsy maintsy manatona ny Omapi mameno milazalaza ny zava-bita, araka ireo voalaza eo ambony ireo, avy eo omena fanamarinana ny tompony raha  feno ny fepetra », hoy Raharinony Manitra, miandraikitra ny marika ao amin’ny Omapi. Misy mantsy ny olona mangala-tahaka na misy mampiasa nefa tsy nahazo alalana amin’ny tena tompony. Miasa ny fanamarinana manajanona ilay ataon’ny hafa.

    « Fomba maromaro ny fiarovana na mampijanona ny hafa  : mety fampitandremana fotsiny, ambonimbony kokoa any amin’ny fitsarana. Amin’izay fotoana izay ny Omapi manome torohevitra araka ny lalàna maimaim-poana, sy manoro ny tokony hatao, fa izahay tsy manana fahefana mitazona zavatr’olona », hoy ihany Raharinony Manitra.

    Tsy voatery mametraka fiarovana ny tompona famoronana. Na izany aza, efa-taona nisesy izao, manentana manerana ny faritra ny Omapi ny amin’ny andraikiny hiadiana amin’ny hosoka.

     

    Ndrina

     

    Les commentaires sont fermées.