Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Parvis Analakely: ampirantiana ireo sampandraharahan’ny polisim-pirenena

    Parvis Analakely: ampirantiana ireo sampandraharahan’ny polisim-pirenena

    Misokatra ho an’ny olom-pirenena tsy ankanavaka ny hetsika fankalazana ny faha-60 taona ny polisim-pirenena izay tanterahina amin’ny alalan’ny fampirantiana ireo sampandraharaha eo anivon’ny polisim-pirenena.

    Mandritra ny roa andro ny hetsika eny amin’ny Parvis Analakely. Tonga nanome voninahitra sy nanotrona ny lanonana fankalazana ny faha-60 taonan’ny polisim-pirenena ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra, Andriantsitohaina Naina niaraka tamin’ny mpikambana eo anivon’ny governemanta. Maro ireo olom-pirenena tonga nitsidika ny fampirantiana ataon’ny polisy. Ao ireo liana te hahafantatra ny asa sy ny fomba hidirana ho polisim-pirenena. Misy koa ireo tonga manatona miresaka ny mahazo azy eny anivon’ny fiarahamonina eny. Ao ireo liana amin’ny tokony hatao raha misy polisy manao fanararaotam-pahefana. Nanokatra ny fampirantiana ny minisitry ny Filaminam-bahoaka (MSP), ny contrôleur général de police, Randrianarison Fanomezantsoa, ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotonirina Richard, ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena, ny Jly Serge Gellé. Nambaran’ny MSP fa ny hetsika toy izao no atao dia mba hanatonana akaiky hatrany ny vahoaka. Nanentana ny olona ho tonga hitsidika ireo trano eva maro misy ny fampahafantarana ny asan’ny polisy amin’ny fametrahana fandriampahalemana eny anivon’ny fokontany.

    Jean Claude

    Les commentaires sont fermées.