Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Rahajasoa Honoré Mpikabary: « Marobe ireo manorin-tokantrano rehefa faran’ny taona »

    Rahajasoa Honoré Mpikabary: « Marobe ireo manorin-tokantrano rehefa faran’ny taona »

    Ity izany vao tonga amin’ilay fitenenana hoe, “hanambady amin’ny faran’ny taona”. Rariny tokoa izay satria azo tarafina fa vaovao ny taona, vaovao ny zava-drehetra, mijoro fa lehilahy. “Tena marobe ny olona manorin-tokantrano amin’izao, indrindra rehefa faran’ny taona tahaka izao. Ho ahy manokana, feno dia feno ny fandaharam-potoana amin’ity volana desambra ity”, hoy Rahajasoa Honoré, filoha mpanorina ny fikambanana mpikabary Hajan’ny Gasy. Efa tena miroborobo ny tontolon’ny kabary ankehitriny… Tsy ny lehibe intsony izao no manao azy fa efa hatramin’ny ankizy amam-behivavy dia tazana amina lanonana samihafa.

    Anisan’ny tena ironan’ny maro ny tontolon’ny kabary am-panambadiana ary maro ireo tanora no misehatra amin’izany, rehefa vodiondry, ohatra, sns… Anisan’ny kolontsaina mampiavaka ny Malagasy ny kabary ary efa manomboka mianatra azy avokoa na ny vahiny aza.

    Narilala

    Les commentaires sont fermées.