Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Sandam-bola: nihena ho 4.500 Ar ny 1 euro

    Sandam-bola: nihena ho 4.500 Ar ny 1 euro

     Nahazo aina kely ny vola ariary raha oharina amin’ny euro, nanomboka ny volana novambra teo. Nidina ho 4.530 Ar ny sandan’ny 1 euro, omaly, raha efa tafakatra manodidina ny 4.600 Ar ny faran’ny volana oktobra 2021. Misy tombony ho an’ny sandam-bola Ariary ny fihenan’ny sandany miohatra amin’ny vola vahiny, toy izao amin’ny euro izao, eo amin’ny fifanakalozana ara-bola amin’ny tsena any ivelany. Voakasik’izany ny fanafarana entana any amin’ny firenena mampiasa ny vola euro, izany hoe, ny mpikambana ao amin’ny Vondrona eoropeanina. Satria sandambola euro no ividianana ny entana. Tokony hiantraika, hampidina ny vidin’ny entana hafarany avy any Europa, toy ny avy any Frantsa, ohatra, izao fihatsaran’ny Ariary izao.

    Vidiana amin’ny dolara ny solika

    Etsy ankilany, tsy nihetsika manodidina ny 3.900 Ar hatrany ny 1 dolara, efa amam-bolana maromaro izao. Isan’ny tena ampiasana azy ny fividianana solika any ivelany. Tsy nihetsika ny vidin-tsolika eto amintsika, na efa nisondrotra manodidina ny 85 dolara aza ny vidin’ny iray barila eo amin’ny tsena iraisam-pirenena.

    Njaka A.

    Les commentaires sont fermées.