Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Taratry ny kanto

    Taratry ny kanto

    Soul pop RnB- Trano Bongo Tanjombato

    Zoma mahafinaritra… Hanafana lanonana, faran’ny herinandro, ao amin’ny No Doze Trano Bongo Tanjombato, anio  zoma 3 desambra 2021 manomboka amin’ny 9 ora alina, ry Fabre, Mialy, Kôvou, Fifaliana. Mpanakanto efa tsy zovina amin’ny maro intsony ny hiray sehatra hamelona ireo hira tany amin’ny taona 90 sy ny hafa.

    Old School en live – Spice Grill Alasora

    Hahazo vahana indray ny tontolon’ny hip hop amin’ity indray mitoraka ity… “Old school en live” io ny lohahevitra hoentin-dry Mc Tiga Nagar, Psy Kopasy, Kakanjila, Pela queen, lhom Pipo, Daero. Ao anatin’izany no nanasana an-dry Miora Killah sy ny maro hafa hanafana ny seho. Hotanterahina etsy amin’ny Spice Grill Alasora izany, anio zoma manomboka amin’ny 10 ora maraina…

    « Sento tokana » – Cinquième Elément

    Faran’ny herinandro… Hahazo vahana indray ireo mpankafy mozika etsy amin’ny Le Cinquième Elément Ankadivato, anio zoma manomboka amin’ny 7 ora hariva. Hiray sehatra amin’izany ry Haingo sy Fy izay hitondra ny vazon-dry Lalao Rabeson, Lalatiana ary i Nanie. Hafana, araka izany, ny fiarahana.

    Tarika Kiaka –  Piment Café Behoririka

    Mihodina mirevy”… Mby ao an-tsaina avy hatrany ny tarika Kiaka vao maheno izany tononkira izany. Hitondra ny vazony etsy amin’ny Piment Café ny tarika Kiaka, anio zoma manomboka amin’ny 9 ora alina. Tafiditra ao anaty fankalazana ny faha-35 taona nijoroan’izy ireo ity hetsika ity ka hovazoina ao avokoa ireo hira nanamarika ny tarika.

    Nangonin’i Narilala

    Les commentaires sont fermées.