Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    CUA-WENZHOU : sehatra maro ny fiaraha-miasa

    CUA-WENZHOU : sehatra maro ny fiaraha-miasa

    Natao omaly tetsy amin’ ny Lapan’ny Tanàna Ana­la­kely ny fanaovan-tsonia ara-pifandraisana teo amin’ny Tanànan’Antananarivo Reni­vohitra sy ny Tanànan’i Wenzhou (Chine). Hisy ao anatin’izao fiaraha-miasa izao ny fifanakalozan-kevitry ny sehatra tsy miankina, eo koa ny fiaraha-miasa eo amin’ireto tanàna roa ireto.
    Nanatrika ny fanaovan-tsonia, omaly, ny solontenan’ny GEM (Groupement des Entreprises de Madagascar) sy ny solontenan’ny «Cham­bre de Commerce Antana­na­rivo».

    Fanombohan’ny fiaraha-miasa miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka any Wenzhou izao. Hana­mpy ny CUA sy ny orinasa malagasy eo amin’ny resaka traikefa izany.

    Efa nanome fanampiana ny CUA ny tanànan’i Wenzhou tamin’ny fiatrehana ny valanaretina Covid-19.
    Hiompana amin’ny toekarena, sosialy ary ny fampianarana eny amin’ny oniversite ny fiaraha-miasan’ny roa tonta. Natao tamin’ny alalan’ny “visioconférence” ny fifanarahana fanaovan-tsonia teo amin’ny ben’ny Tanàna roa tonta noho ny hamehana ara-pahasalama.

    Tatiana A

    Les commentaires sont fermées.