Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Fanafiana atoandro teo Analakely: Voaroban’ny jiolahy ny vola 25 tapitrisa Ar

    Fanafiana atoandro teo Analakely: Voaroban’ny jiolahy ny vola 25 tapitrisa Ar

    Fahasahiana tsy roa aman-tany. Andro atoandrobenanahary no nanafika magazay etsy Analakely ny jiolahy tsy nisaron-tava. Voaroba ny vola 25 tapitrisa Ar.

    Nirefotra ny basy, omaly maraina, tokony ho tamin’ny 10 ora sy sasany tetsy Analakely. Lasi­batry ny fanafihan-jiolahy nirongo basy ny magazay iray mivarotra “balatome” eo an-toerana. Tsy nisy nanampo ny rehetra satria niditra toy ireny mpividy ireny ireo jiolahy efa-dahy tsy nisaron-tava. Voa­roba tamin’izay ny vola manodidina ny 25 tapitrisa Ar teo amin’ireo mpivarotra. “Voambana basy avy hatrany izahay sady norahonan’ireo jiolahy”, hoy ny fanazavan’ireo tompona magazay. Ta­min’io fanafihana io, tsy nihambahamba nitaky ny vola ireo olon-dratsy. Atody miady amam-bato tokoa ireo lasibatra ka tsy afa-nanohitra intsony. “Vola saika hatao versement any amin’ny banky ireo lasan’ny jiolahy ireo. Ni­fanandrify indrindra tamin’ny ora saika nanaterana ireo vola mihitsy no tonga ireo mpanafika. Araka izany, azo lazaina fa misy olona miray tsikombakomba tamin’ireo olon-dratsy ny olona ao amin’io magazay io”, hoy ny fanazavan’ny polisim-pirenena. Tao anatin’ny minitra vitsy no nanaovan’ireo olon-dratsy ny fanafihana. Tao­rian’izay, nanao tifi-danitra indray mandeha monja, nitsoaka ireo jiolahy. Tsy nandeha fiara na moto fa nandeha an-tongotra nanaraka ireo “Pavillon”. Ireo mpivarotra teo an-toerana kosa tsy nisy sahy nanenjika.

    Tranga miendrika horonantsary
    Toy ny amin’ireo horonantsary ireny ny tranga tetsy Analakely, omaly maraina iny. Toran-kovitra sy velona ahiahy ireo nanatri-maso ny zava-niseho. Tsy nisy nanampo ny zava-nitranga ny rehetra. Raha ny fanazavan’ireo lasibatra, lehilahy ranjanana ireo mpanafika. Ireo mpivarotra teo anoloan’ny magazay kosa nilaza fa mbola tanora endrika avokoa ireo efa-dahy. Minitra vitsy taorian’ny tranga, tonga teny an-toerana ny polisy saingy tsy nahatratra intsony ireo mpanao ratsy. “Mbola variana tao anatin’ilay exposition avokoa izahay ka tsy nahatratra ireo jiolahy intsony”, hoy ny polisim-pirenena. Nambarany kosa fa nasiana polisim-pirenena miambina eo amin’io tsena voatafika io taorian’izay ary mbola manohy ny asa fivarotany izy. Misokatra ny famotorana.

    Henintsoa Hani

    Les commentaires sont fermées.