Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Hanoanana any atsimo: vokatry ny fahantrana …

    Tsy avy amin’ny fiakaran’ny maripana, araka ny nambaran’ny Firenena mi­kam­bana, no mitarika ny ha­noanana any amin’ny tapany atsimon’i Madaga­si­kara fa vokatry ny fahantrana sy ny fiovan’ny toetr’andro voajanahary, hoy ny valin’ny fanadihadiana World weather attribution (vondron’ny siantifika mpikaroka momba ny fiovan’ ny toetr’andro) nivoaka ta­min’ity herinandro ity.
    1 tapitrisa ny olona ma­na­na olana ara-tsakafo vo­ka­try ny haintany any an-toerana ary nanambara ny Fan­da­ha­ranasan’ny Fire­nena mi­kam­bana momba ny sakafo (Pam) fa tsy fa­hampian-tsakafo noho ny fi­akaran’ny hafanan’ny ta­ny avy amin’ny asan’ny olombelona izany. Mbola nanamafy izany ny fitondrana tamin’ny fandraisam-pitenenana nandritra ny fivorian’ny Cop 26 momba ny fiovan’ny toetr’andro tany Glasgow ka nanambaran’ny filoha malagasy fa mizaka ny vokatry ny krizy momba ny toetr’andro ny va­hoaka any Atsimo. Ni­la­za ny valin’ny fanadihadiana navoakan’ny Von­dron’ny manampahazaina ao amin’ny Firenena mi­kam­bana momba ny toetr’andro (GIEC), ny volana aogositra lasa teo, fa tsy hisy fiantraikany goavana amin’ny haintany ny fiakaran’ny ha­fanan’ny tany raha tsy mi­hoatra ny 2°C nefa amin’ izao fotoana izao, mbola 1,1°C izany fiakaran’ny hafanana izany maneran-tany ka tsy mitombina velively ny filazana fa vokatry ny fiakaran’ny hafanan’ny tany no mampirongatra ny hanoanana ao Atsimon’i Madagasikara, hoy i Fri­e­de­rike Otto avy ao amin’ny oniversiten’i Oxford.

    Vonjy

    Les commentaires sont fermées.