Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Ladies Circle Madagascar I: nentanina momba ny fahadiovana amin’ny fadimbolana ny mpianatra

    Ladies Circle Madagascar I: nentanina momba ny fahadiovana amin’ny fadimbolana ny mpianatra

    Miantsehatra amin’ny asa sosialy ho an’ny vehivavy, renim-pianakaviana sy ankizivavy ny fikambanana Ladies Circle Mada­gascar. Ho an’ireo eto An­alamanga, nisafidy ny CEG Ambohibao izy ireo nitsimbina manokana ireo tovovavy mpianatra ao amin’ny kilasy 3ème.
    Nanentana mikasika ny fahadiovana mandritra ny fadimbolana ny fikambanana. Tanjona ny hanampy ireto tanora hahay hiatrika io vanim-potoana tsy ma­intsy lalovan’ny tovovavy isam-bolana io. Nizara sa­laka voavoatra, azo sasa ihany koa ny fikambanana ho an’ireo mpianara mba hanampy azy ireo mandritra ny fotoan’ny fadimbolana.
    Resaka mamoafady ho an’ny Malagasy ity fadimbolana ity ka maro ny tsy mazava amin’ny ankizivavy mahakasika izany. Izany indrindra no antony nanaovan’ny fikambanana La­dies Circle Madagascar I vaky bantsilana mahakasika ity lohahevitra ity.
    Nalalaka ny fanehoan-kevitra niaraka tamin’ny rasazy izay nantsoina manokana hitondra fanazavan-tsaina ho an’ny tanora. Nahafahana nanontany izay rehetra tokony ho fantatra, toy ny, fanaintainana mandritra ny fadimbolana, ny hevi-diso nitondrana fa­nitsiana, ny ahiahy mipetraka, ny henatra …. Ny fifanakalozana.
    Hitohy amin’ny sekoly hafa ny hetsika izay mbola hivoizana hatrany ny fahadiovana mandritra ny fa­dimbolana, raha ny fanazavan’ny tompon’andraikitra.

    Tatiana A

    Les commentaires sont fermées.