Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Tetikasa Produir: nahazo fitaovana hiadiana amin’ ny Covid-19 ny CUA

    Tetikasa Produir: nahazo fitaovana hiadiana amin’ ny Covid-19 ny CUA

    Kamiao lehibe 4 miteti-bidy 715 000 dorala, fanamiana (combinaisons) miisa 100, kiraro baotymisa 1 300, fonon-ta­nana miisa 1 300, ary visières miia 1.300 miaraka amin’ ny fitoeram-pako 750 no azon’ny kaominina Antana­na­rivo Renivohitra tamin’ny alalan’ny tetikasa Produir (PROjet de Développement Urbain Intégré et de Ré­si­lience du Grand Anta­na­na­rivo), eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany, tarihin’ny minisitra Andrianainarivelo Hajo, sy avy amin’ny banky iraisam-pirenena, omaly. Entina ha­na­mpiana ny ady atao amin’ ny valanaretina Covid-19 sy ho fampitaovana ny tanàna ireo raha, ny fanazavana.
    Nandray izany mivantana, omaly tetsy amin’ny lapan’ny Tanàna Analakely, ny ben’ny Tanàna, Andrian­tsitohaina Naina.
    Nambaran’ny ben’ny Ta­nà­na fa efa miha antitra sy simba avokoa ireo fitaovana sy fiara mpandraoka fako ampiasain’ny SMA. Mifan­draika tanteraka amin’ny filan’ny kaominina araka izany ny fahatongavan’ireo kamiao sy fitaovana ireo, indrindra amin’izao fotoana fiakaran’ny voankazo izay mampitombo avo telo heny ny fakon’Antananarivo izao.
    Hisy, araka izany, ny fiarabe izay hatolotra ho an’ny SMA mba hoentina hitaterana ireo fako.
    Hoentina hanadiovana ny tanàna sy hanampiana ireo departemanta maro amin’ny fanatsarana ny tanàna ihany koa ny ampahan’ny fitaovana voaray.

    Tatiana A

    Les commentaires sont fermées.