Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Rehefa tsy nihaona ela…: hiaka-tsehatra ny Gas’in Praise

    Rehefa tsy nihaona ela…: hiaka-tsehatra ny Gas’in Praise

    Hiakatra an-tsehatra indray ny tarika Gas’in Praise, ny asabotsy 11 desambra izao, etsy amin’ny Le Pavé Antaninarenina. Fifankahitana voalohany io ho an’ny tarika sy ny mpankafy rehefa tsy nihaona tao anatin’ny fotoana maharitra. Hitondra zava-baovao i Haja Ratobihasina sy ny ekipan’ny amin’io fotoana io ary hotronin’ny tarika Antsa an’i Kristy sy Si-C Praise. Hanomboka amin’ny 2 ora tolakandro ny seho ary haharitra ora telo. Natao maimaim-poana ny fidirana ary hanasany ny olon-drehetra. Maro ny hira efa ahafantarana ny Gas’in Praise amin’ny alalan’ny gadona “pop-rock” toy ny “Hazofijaliana”, “Ny foko rehetra”. Enina mirahalahy ry zareo no mandrafitra ny tarika, 12 miaraka amin’ny mpitendry zavamaneno. Ankoatra ny seho miavaka toy izao, maro ny fiangonana no maka azy ireo amin’ny fitoriana ny Filazantsara an-kira hatrany. Sady famaranana ny taona ity amin’ny asabotsy ity ho an’ny tarika. Efa mipetrapetraka kosa ny fandaharam-potoana rehetra amin’ny taona ho avy.

    Nanangona : HaRy Razafindrakoto

    Les commentaires sont fermées.