Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Kitra – LDC: misongadina ny Ajax sy ny Liverpool

    Ekipa misongadina tanteraka anatin’ny lalaon’ny “Ligue des champions” tamin’ity taona ity ny Liverpool sy ny Ajax Amsterdam nandritra ny lalao isam-bondrona nataon’izy ireo. Samy tsy nisy resy tamin’ireo lalao miisa dimy natrehany avy. Miavaka hatrany ireo teratany afrikanina Mohamed Salah (Egyptianina) sy Sebastien Haller (Ivorianina) izay samy nampidi-baolina ho an’ny ekipany afakomaly. Ity farany izay mpilalao tokana nanamontsana ny zava-bitan’i CR7 ny taom-pilalaovana 2017/18. Nahatafiditra baolina 10 tamin’ireo lalao rehetra isam-bondron’ny fifaninanana tamin’ity taona ity. Lavon’ny Liverpool an-dry Salah tamin’ny isa 2 no ho 1, araka izany, ny AC Milan raha toa ka nampiondrika tamin’ny isa mavesatra 4 no ho 2 ny Sporting Club ny Ajax. Haller irery hatreto no mpilalao tokana taorian’ny zava-bitan’i CR7 ny taona 2017, nahatafiditra baolina tamin’ireo lalao rehetra isam-bondron’ny LDC tamin’ity taona ity.

    Tsiferana R.

     

    Les commentaires sont fermées.