Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Tselatra

    Omby masika iray tafatsoaka ny abatoara teny Ankadimdratombo no nandratra olona roa ny zoma teo, tokony ho tamin’ny 05 ora sy sasany hariva. Tsy voafaritra mazava ny toerana nitrongisan’ilay omby ireo olona naratra ireo, hoy loharanom-baovao. Nambarany kosa fa efa nahazo fitsaboana sahaza azy ireo niharam-boina. Natahotra ny manodidina ka voatery niantso ny sampana mpamonjy avy eo Tsaralalana. Vokany, voasambotra tao anaty fotaka teny andrefan’i Mananjara io omby masika io ary nomena ireo mpanaraka azy. Tonga teny an-toerana ihany koa ny polisim-pirenena niaro teny amin’ny manodidina.

    Les commentaires sont fermées.