Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Ampasindava Vangaindrano: Trano 16 tafo kila forehitra, 120 ireo traboina

    Ny akanjo teny an-koditra sisa! Miisa 120 ireo olona traboina tamin’ilay haintrano tao Ampasindava Vangaindrano, afakomaly. Trano miisa 16 tafo indray kila hotohoto. Raha ny fampitam-baovao voaray avy amin’ny zandary araka ny fanazavan’ny sefo fokontany ao an-toerana, fipoahana herinaratra niainga avy ao amina tokantrano iray no nahatonga ny loza ka niitatra tamin’ireo trano teo amin’ny manodidina. Raikitra ny fifanjevoana teo amin’ireo niharam-boina raha vantany vao nitranga ny firehetana, samy nanao izay ho afany tamin’ny famonjena ireo ankizy sy ny entana ireo niharam-boina. Nisy ihany ireo entana avotra raha lasa lavenona tao anaty afo avokoa ny ankamaroany. Ontsa tanteraka ireo mponina niharam-boina any amin’iny faritra iny fa lasa lavenona tao anatin’ny minitra vitsy ireo entana sy antontan-taratasy sarobidy tao an-tranony. Nambaran’ny sefo fokontanin’Ampasindava fa noraisin’ireo an-tanana ny fikarakarana ireo niharam-boina. Na izany aza, miantso tolo-tanana hanampy ireto fianakaviana tra-boina ireto.

     J.C

    Les commentaires sont fermées.