Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Cybercriminalité: Tratra ilay rangahy mpanely tsaho ao amin’ny «facebook»

    Voasambotry ny polisy ilay lehilahy mpanaparitaka vaovao tsy marina ao amin’ny tambajotran-tserasera « facebook ». Nisy tokoa ny filazana nataony nentiny hanaratsiana mpitandro filaminana sy ny fitondram-panjakana. Nampiasa sarina polisy izy milaza fa nanakana mpivarotra anana tsy misy taratasy. Tsy niandry ela fa nandray ny andraikiny avy hatrany ireo mpitandro filaminana nikaroka ilay tompon’antoka tamin’ilay « publication ».

    « Tsy tokony hampiasaina ho fandrangitana sy fankahalana na koa hanapariahana vaovao tsy marina ny Facebook fa lasa mamotika ny toe-tsain’ny fiarahamonina izany », hoy ny polisim-pirenena. Nohamafisiny fa tokony hatao am-piheverana hatrany ny fampiasana tambajotra toy itony fa tsy variana mihanihany sy mitady “j’aime” na “j’adore” fotsiny ihany.

    Henintsoa Hani

    Les commentaires sont fermées.