Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Depiote Lanto Rakotomanga : “Tsy mila fanangonan-tsonia ny tetikasa “téléférique””

             “Tsy tena miombon-kevitra amin’ny hoe fakana ny hevitry ny olona amin’ny alalan’ny fanangonan-tsonia aho. Tetikasan’ny filohan’ny Repoblika io. Amiko, toy ny tetikasa hafa rehetra ataon’ny fitondrana.” Io ny fanehoan-kevitry ny depiote voafidy tamin’ny anaran’ny IRD, boriborintany II, Antananarivo Renivohitra, i Lanto Rakotomanga, manoloana ny hoe mila fanangonan-tsonia hahazoana ny vahoaka hanaiky ny fanatanterahana ny tetikasan’ny filohan’ny Repoblika amin’ny fanaovana fitaterana an-tariby (téléférique) eto Antananarivo Renivohitra.

    Tsy misy trosa ho an’i Madagasikara na ariary aza ny vola miasa amin’izany tetikasa izany, fa ny vola miasa amin’izany ihany no mamerina azy. Fiaraha-miasa amin’ny Frantsay io. Noho izany, tsy maintsy atao izay hahavitana izany tetikasa izany: tsy mila ny fankatovan’ny olona. Mila miara-mientana ny rehetra amin’izay fampandrosoana an’i Madagasikara izay, mila mifanohana sy mifandray tanana. Tsy vitan’ny olona tokana ny fampandrosoana ny firenena iray. “Tsy vita amin’ny fe-potoam-piasana iray na roa ny fampandrosoana an’i Madagasikara, fa tokony hitohy izany ny fampandrosoana ataon’ny filohan’ny Repoblika, Andry Rajoelina”, hoy izy.

    R. Nd.

    Les commentaires sont fermées.