Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Fanabeazana sy kabary: nodimandry Rakotoson Daniel

    Lavo ny Andrarezina! Nodimandry teo amin’ny faha-88 taonany Rakotoson Daniel, ilay hany sisa velona tamin’ireo nanangana ny Fikambanan’ny Mpikabary Malagasy, tamin’ny 16 novambra 1963. Izy rahateo no filoham-boninahitry ny Fimpima maneran-tany. Ankoatra ny maha oloben’ny kabary azy, fantatra sy ny nanana ny naha izy azy teo amin’ny tontolon’ny fanabeazana sy fampianarana Rakotoson Daniel. Nampianatra tamina sekoly lehibe teto an-dRenivohitra izy. Tale jeneralin’ny Institution Faneva Ankadindramamy sy Ambatolampy. Filoham-boninahitry ny Dnelm (fivondronan’ny sekoly tsy miankina eto Madagasikara).

    Anisan’ny nampiavaka azy ny fitiavana manoro sy mitari-dalana ary mifanakalo hevitra amin’ireo tanora. Mizara an-kitsimpo izay zavatra fantany izy, hany ka noraisiny ho toy ny zanany avokoa ireo mpianatra nobeaziny.

    Mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviana sy ny tontolon’ny kolontsaina, fanabeazana ary ny kabary malagasy ny Gazety Taratra.

    HaRy Razafindrakoto

    Les commentaires sont fermées.