Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Faritr’i Melaky sy Menabe: ahina ny fihotsahan’ny tany sy fiakaran’ny rano

    Mampitandrina ireo mponina any amin’ny faritra Melaky sy Menabe ny mpamantatra ny toetr’andro etsy Ampandrinomby amin’ny mety hisian’ny fihotsahan’ny tany na fiakaran’ny rano hatramin’ny mety fahasimban’ny fotodrafitrasa noho ny habetsaky ny rotsak’orana any amin’ireo faritra ireo.

    Hahitana fikorontanana ihany koa ny fifamoivoizana an-dranomasina sy ny asa andavanandron’ny mponina amin’ny morontsirak’i Melaky sy Menabe amin’ny fisasahan’ny herinandro noho ny fisian’ny oram-baratra avy ao amin’ny faritry ny Lakandranon’i Mozambika.Mila mailo ny mponina sy ny mpampiasa ranomasina eo anelanelan’i Besalampy sy Morondava mba tsy handriaka intsony mihitsy aloha ary hanalavitra ny moron-dranomasina  ho fisorohana ny loza.

    Mikasika ny mari-pana, hisy fidinany  ny mari-pana ambony saika manerana ny Nosy vokatry ny fisian’ny rotsakorana mitohitohy. Amin’ny ankapobeny, ambany ny tahan’ny fahalotoan’ny rivotra eto Antananarivo, izany hoe ambanin’ny fetran’ny OMS avokoa ny refy rehetra voaray. Vinavinaina hijanona ho ambany hatrany izany tahan’ny fahalotoan’ny rivotra izany ao anatin’ny telo andro misesy, raha ny vinavinan’ny mpamantatra ny toetr’andro hatrany.

    Tatiana A

    Les commentaires sont fermées.