Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Filoha Rajoelina Andry: « Mitaky vokatra amin’ny governora ny vahoaka »

    Filoha Rajoelina Andry: « Mitaky vokatra amin’ny governora ny vahoaka »

    Tsy nitsitsy fitenenana ny filoha Rajoelina Andry, nanoloana ireo governora. Nohitsiny fa mbola betsaka ny lesoka amin’ny fitantanan’izy ireo ny eny anivon’ny faritra.

    Mitaky vokatra mivaingana aminareo governora ny vahoaka… Aoka hanova fomba fiasa sy hanitsy ny lesoka ary hanatsara izany ianareo”, hoy ny filoha, raha nandray azy ireo teny Iavoloha, omaly. Nanteriny fa solontenan’ny filoham-pirenena eny anivon’ny vahoaka ny governora amin’ny  fitantanana ny politika sy toekarena ary sosialy. Nentaniny koa  ny faritra mba hiara-kiasa amin’ireo olom-boafidy sy ny ben’ny Tanàna amin’ny maha zava- dehibe ny andraikitr’izy ireo. “Itakiana ny fanatanterahana ny vina sy ny velirano izany”, hoy ihany izy.

    Hoesorina ireo governora tsy mahavita azy

    Tsiahivina fa anisan’ny hanaovana tombana koa ireto olom-boatendry ireto ary efa narangarangan’ny filoha tamin’ny herinandro teo izany. “Hoesorina ireo governora tsy mahavita ny asany”, hoy izy, nanoloana ny mpanao gazety teny Iavoloha tamin’izany.

    Niroso tamin’ny dinikasa avy hatrany teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha ny filoha sy ireto governora ireto taorian’ny fifampiarahabana noho ny taona vaovao teo amin’izy ireo. Nitarika sy nisolo tena ireo governora ny avy eto Analamanga, Rasoamaromaka Hery.

    Synèse R.

    Les commentaires sont fermées.