Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Ilaka Atsinanana sy Morondava: Siramamy 70 000 t isan-taona avy no handrasana

    Noho ny fiaraha-miasan’ny fanjakana sy ny sehatra sy tsy miankina, hisy tetibola hananganan’ny minisiteran’ny Indostria, ny varotra, sy ny fanjifana (MICC) amin’ity taona 2022 ity ao Ampasintsiriry, Ilaka Atsinanana, eo amin’ny velaran-tany 100 ha, orinasa iray hamokatra siramamy 70 000 t isan-taona. Nitarika ny fotoana ny minisitra Razafindravahy Edgard, ny 9 janoary 2022, nampihetsika ny hery rehetra amin’io sehatra io ao Vatomandry, izay afaka mamboly fary betsaka any Ilaka sy Niarovana Caroline. Hampitomboina ny vokatra fary hamatsiana ny orinasa, hahafahany mamokatra siramamy hameno ny tsena eto amin’ny Nosy. Ho tonga tsikelikely any an-toerana ireo fitaovana ilaina ho an’ny orinasa madinika sy salantsalany.

    Orinasa iray toy izao koa no hajoro any Morondava, hamokatra siramamy 70 000 t isan-taona ihany koa. Tetikasa heverina hampidinana ny vidin’ny PPN sy hialana tsikelikely amin’ny fanafarana avy any ivelany. Ho tombontsoa lehibe ho an’ny tantsaha mpamboly fary raha vita soa aman-tsara, enga anie !

    Ndrina

    Les commentaires sont fermées.