Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Indray mijery

    « Niakatra be indray ny vidin’ny legioma sy ny anana amin’izao fotoana izao raha vao nirotsaka maharitra ny orana. Simba ny ankamaroan’ny vokatra ka ireo sisa avotra no amidy eny an-tsena”, hoy ny mpamboly. Be loatra ny rano ka lo avokoa ny legioma, indrindra ireo mandady amin’ny tany. “Tafiditra amin’izany ny salady sy ny anana samihafa 500 Ar vao mahazo fehezany kely. Hatramin’ny ovy, niaka-bidy ka 2 000 hatramin’ny 3 000 Ar ny kilao arakaraka ny sokajiny ka ny fanendy no lafo kokoa”, hoy ny mpaninjara eny amin’ny tsenam-pokontany. Ny karaoty sy ny korizety mandeha amin’ny kilao avokoa. 

    Mbola tomefy olona hatrany ny CSB II mandray ireo marary mampiseho sotritraretina mitovy amin’ny gripa amin’izao fotoana izao, araka ny hita eny. Amin’ny 6 ora maraina dia tonga ny mpandahatra karine sy ny mpiandry toerana raha amin’ny 8 ora vao mandray ny mpitsabo. Mpitsabo roa no misahana ny marary satria tsy maintsy mifandimby koa. Mbola manana ny fanafody hitsaboana ny Covid-19 hatreto aloha ny ankamaroany. Eo anatrehan’ny mpizara fanafody no hohanina ny fatra voalohany rehetra amin’ny fanafody nomen’ny mpitsabo. Mila faharetana, ora telo na mahery vao voaray noho ny fahamaroan’ny marary tonga.       

    Les commentaires sont fermées.