Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Jica sy Malagasy: Nahazo tohana avy amin’ny Japoney ny TVM

    Vita sonia omaly ny fifanarahana eo amin’ny vahoaka japoney amin’ny alalan’ny Jica (1) sy ny governemanta malagasy. Fampitaovana ho an’ny fandaharanasan’ny Fahitalavitra malagasy (TVM), ho fampandrosoana ny toekarena sy sosialy. Fifanarahana tao amin’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny tetibola, nanomezan-dry zareo Japoney fitaovana samihafa, mitentina 163,7 tapitrisa Yen. Fitaovana hanatsarana ny fahitalavitra, tafiditra amin’izany ny vaovao avy any Japana izay azon’ny TVM hampitaina.

    Fitaovana ho fampitomboana ny kalitaon’ny fandaharana, fanatevenana ny ao anatiny ary fanitarana ny fanabeazana ho fampandrosoana ny firenena. « Fanabeazana ho an’ny rehetra, manomana olom-pirenena handray anjara ho an’ny fampandrosoana ny firenena ». Vokatra handrasana : fandaharana fanabeazana sy antontan-kevitra samihafa.

    Nisy fanaovan-tsonia  fifanarahana, andaniny japoney, Kaori Tanaka, solontenan’ny Jica eto Madagasikara, ary ankilany, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo,minisitry ny Toekarena. Nanatrika ny masoivoho japoney, i Takaku Yosiki sy ny minisitry ny Serasera, Andriatongarivo Lalatiana sy ny avy ao amin’ny TVM sy ORTM (2).

    Ndrina

    Jica (1) : Agence japonaise de coopération internationale

    ORTM (2) : Office de la radio et télévision publiques de Madagascar

    Les commentaires sont fermées.