Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Loza an-dranomasina tao Soanierana Ivongo: 21 andro aty aoriana, mbola tsy hita ny tompon’ny sambo Francia

    Mitohy ny fikarohana! Efa 21 andro aty aorian’ilay loza an-dranomasina nahatsiravina namoizana ain’olona marobe tao amin’ny distrikan’i Soanierana Ivongo, mbola tsy hita ny nanjavonan’ny tompon’ny sambo M/S Francia III. Izy io izay voalaza fa isan’ireo velona tamin’ity loza an-dranomasina ity. Olona telo koa no fantatra fa mbola tsy hita popoka hatramin’izao. Tsiahivina fa mpandeha efa ho 150 no indray nandeha niaraka tamin’ity sambo ity niampy ny entan’ireo mpandeha. Niala tao Antsiraka hihazo an’i Soanierana Ivongo ny sambo, kanjo vao niala kely ny seranana dia rendrika ny sambo noho ny havesatry ny olona sy ny entana. Vokany, mpandeha 40 mahery avotra raha nifarimbonana kosa ny fitadiavana ireo tsy hita popoka natelin’ny ranomasina. Nisy hatrany Sainte Marie vao hita ny razana. Voatery tsy maintsy niroso tamin’ny fandevenana faobe ireo tomponandraiki-panjakana tany an-toerana noho ny fahasimban’ireo razana hita. Marihina fa nanao vonjy voina tamin’ity loza ity no nampianjera ny helikoptera an’ny Tafika ana habakabaka ka nahafatesana manamboninahitra roa lahy. Avotra tamin’izany kosa ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena, ny Jly Serge Gelle niaraka tamin’ny manamboninahitra lefitra, izay mpikirakira manokana ity helikoptera ity.

    J.C

    Les commentaires sont fermées.