Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    RN2 mankany Toamasina…: Ahitana lozam-pifamoivoizana roa isaky ny 10 km

    Tsy mifidy karazana fiara fa na taksiborosy na kamiaobe na fiara tsy mataho-dalana hatramin’ny fiarakely dia samy manao lozam-pifamoizana avokoa. Nandritra ny fanadihadiana natao, raha miainga avy any Toamasina ka hatreo Antsampanana, sampanan-dalana mihazo an’i Vatomandry (mandroso sy miverina) izay halaviran-dalana eo amin’ny 132 km dia nahitana lozam-pifamoivoizana miisa 11 be ka ny roa amin’ireo namoizana ain’olona, izay tsy lavitra an’Antsarimasina. Raha ny zava-nisy, omaly, teo amin’ny lalana hivoaka an’i Toamasina, nitrangana lozam-pifamoivoizana vokatry ny fifandonanana Bajaj sy moto tao Mangarano tamin’ny 4 ora maraina.

     Tovovavy mpivarotra fahafinaretana maty tsy tra-drano…

     Maty tamin’ity fifandonana moto ity ny tovovavy iray mpivarotra fahafinaretana, izay avy niasa alina ka handeha hody izy tamin’io fotoana nitrangan’ny loza io. Fantatra kosa fa mamo ireto mpitondra moto roa lahy namoa-doza ireto satria avy namonjy alim-pandihizana ry zalahy ka tsy nahafehy ny familiana. Fa ankoatra izany, maro ireo kamiaobe mifandona sy mivadika ho azy amin’iny lalam-pirenena iny. Saika mitarika fitohanana matetika izany. Manginy fotsiny koa ny ataon’ny taksiborosy manao lozam-pifamoivoizana. Nambaran’ireo mpitondra taksiborosy fa noho ny ataon’ireo mpamily ireny kamiaobe ireny koa no tena mahatonga ny loza. Milaza ny ankamaroan’ireo mpamily ireny kamiaobe ireny fa olana ara-teknika no mahatonga ny loza. Na eo aza izany rehetra izany, ny lalana tery sady ratsy ka antony mahatonga ny loza sesilany amin’iny lalam-pirenena iny. Miandry ny fahavitan’ny lalambe migodana mba hampihenana ny loza mateti-pitranga amin’ity RN2 ity.

    Sajo/J.C

    Les commentaires sont fermées.