Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Tontolon’ny mozika…: hanomboka indray ny One Beat

    Zavakanto maroloko, fanomezana vahana ny kolontsaina avy amina firenena maro maneran-tany… hisandrahaka eo amin’ny tontolon’ny mozika ny tetikasan’ny Departemantam-panjakana amerikana misahana ny fanabeazana sy ny kolontsaina (ECA), nampitondraina ny lohahevitra One Beat. “Haharitra 8 herinandro haharetan’ity fandaharanasa ity, araka izany, hisy atrikasa fifanakalozana momba ny famoronana sy fanoratana ary fandrindrana mozika, hisy atrikasa fampiofanana sy fandraisam-peo ary handray anjara amina fampisehoana iombonana ireo mpandray anjara voafantina. Hisy tohana ara-bola sy ara-teknika omena azy ireo ahafahany manaraka hatramin’ny farany ny fandaharam-potoanan’ny One Beat Program. Mpanakanto misehatra amin’ny mozika miisa 35 avy amin’ny firenena 50 no horaisina amin’ity taona ity.

    Amin’ny endriny ampitain-davitra ny programa izay hanomboka amin’ny 11 Jolay hatramin’ny 6 Septambra 2022”, araka ny fandaharam-potoana navoakan’ny US Embassy Madagascar, tao amin’ny pejiny.Tsiahivina fa i Tsanta Randriamihjasoa no Malagasy voalohany indrindra voafantina tamin’ity One Beat ity ny taona 2018.

    Narilala

    Les commentaires sont fermées.