Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Andron’ny 12 janoary – Filoha Rajoelina: « Aoka hadio fitondran-tena ny manamboninahitra »

    Andron’ny 12 janoary – Filoha Rajoelina: « Aoka hadio fitondran-tena ny manamboninahitra »

    « Aoka hanana fitondran-tena madio, mahitsy indrindra amin’ny fiatrehana ny adidy ankinina aminy ianareo manamboninahitra ambony eto amin’ny firenena », hoy ny filoha Rajoelina Andry, omaly, teny Iavoloha. Niara-nanamarika sy nandray anjara tamin’ny andron’ny manamboninahitra isaky ny 12 janoary tamin’ireo eo anivon’ny Rezimantan’ny vondrona mpiaro ny fiadidina ny Repoblika (RGP) ny tenany tamin’izany. Nanteriny fa mba ho taona ho fanamafisana ny fanoloran-tena amin’ny adidy nankinina amin’ny manamboninahitra ihany koa ny 2022. « Hamafisina ny firaisan-kina sy ny firaisan-tsaina ary ny firaisam-pon’ny manamboninahitra », hoy ihany ny filoha.

    Notsaroana ireo lavo am-perinasa

    Notsaroana manokana nandritra ny lanonana ireo manamboninahitra lavo am-perinasa, teto amin’ny firenena ny taon-dasa.

    Nialoha ireo rehetra ireo ny fanganan-tsaina nataon’ny filoha Rajoelina Andry sady lehibe faratampon’ny Foloalindahy sy ny minisitry ny Fiarovam-pirenena,  ny Jly Rakotonirina Richard. Narahin’ny firedonana ny hiram-pirenena sy ny hira fanevan’ny Akademia miaramila. Nisy ihany koa ny fanolorana ny gisa na « oie traditionnelle » ho mariky ny andron’ny manamboninahitra ho an’ny filohan’ny Repoblika.

    Anisan’ny niatrika izany ny minisitry ny Filaminana anatiny,  Randrianarisoa Fanomezantsoa, ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria (Seg), ny Jly Gellé Serge.

    Synèse R.  sy Jean Claude

    Les commentaires sont fermées.