Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Antananarivo Renivohitra: Amboarin’ny CUA ireo lalana tena ratsy

    Antananarivo Renivohitra: Amboarin’ny CUA ireo lalana tena ratsy

    Natomboky ny kaominina Antananarivo Renivohitra etsy Ampefiloha ny fanarenana ireo lalan-dratsy. Hitohy izany, na tsy ampy aza ny hoenti-manana, ary isan’ny vahaolana ny fiarahana amin’ny sehatra tsy miankina.

    Mahatsapa ny haratsian’ny lalana eto Antananarivo Renivohitra ny tomponandraikitry ny kaominina (CUA). Na tsy ampy aza ny tetibola, miezaka araka izay tratrany izy ireo. Isan’izany ny efa nanamboarana ireo tena ratsy, nototofana ny lavaka, indrindra ny lalana tena be mpampiasa, araka  ny fanazavan’ny fitantanana ny asa vaventy ao aminy. Natomboka etsy Ampefiloha, akaiky ny fiantsonan’ny fiara mpitatitra taxi-be, tobin-tsolika Total. Hotohizana eny 67 ha, akaiky ny tsena Badgad, ny any Ambodin’Isotry, Vasakaosy, sns.

    Iarahana amin’ny tsy miankina ny eny Antohomadinika

    Nomarihiny koa fa efa ao anatin’ny fandaharam-potoana ny hanarenana ny eny Antohomadinika, iarahana amin’ny sehatra tsy miankina. Asa hatao voalohany ny fanamboarana ny lakan-drano, satria tsentsina ka tsy maintsy diovina sy arenina, mba hahafahan’ny rano mivarina any amin’ny lakandranon’Andriantany sy ny C3. Aorian’izay vao hamboarina ny lalana.

    Nilaza ny talen’ny Asa vaventy ao amin’ny CUA fa tsy manana tetibola manokana ny kaominina, fa miankina amin’ny vola miditra no tantanina hanaovana ny asa. Antony, naaton’ny minisiteran’ny Asa vaventy ny famoahana vola avy amin’ny Tahirimbola ho an’ny lalana (Fond routier), efa hatry ny tamin’ny taon-dasa. Efa fantatra avokoa anefa ireo lalan-dratsy eto an-dRenivohitra, ka atao araka izay vita.

    Njaka Andriantefiarinesy

    Les commentaires sont fermées.