Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Efa maro ireo lasibatra…: voasambotra ireo mpisoloky vato sarobidy

    Efa maro ireo lasibatra…: voasambotra ireo mpisoloky vato sarobidy

    Tra-tehaky ny polisy avy ao faritra Boeny, ny faran’ny herinandro teo, ireo roa lahy malaza mpisoloky amina vato sarobidy. Niseho ny 18 oktobra lasa teo ny raharaha. Fianakaviana iray avy ao Namakia nikasa hividy bisikileta tao Mahajanga ireo lasibatra. Nanatona ireo mpianakavikely teo anoloan’ilay magazay ny lehilahy iray niresaka sy nitafatafa. Mbola teo am-piresahana ny roa tonta no indro nisy lehilahy iray hafa nitondra karne nisy soratra sy vatokely manga miisa roa. Voasoratra tao fa efa misy mpandray ireo vato safira ary mitentina 30 tapitrisa Ar ny vidiny. Tsy hita anefa ny mpividy ireo vato sarobidy ka nandresy lahatra ireo mpianakavy ireo roa lahy mba hividy izany. Roboka tokoa ireo mpianakavy avy ao Namakia ary nanome vodiodrim-barotra 350.000Ar.Vola saika hividiana ilay bisikileta tao amin’ilay magazay. Raikitra ny fifanolorana ary samy nifandao ny roa tonta. Taorian’izay, nijery mpahay vato ireo voasoloky mba hamantarana ny tentim-bidy, izay voalaza fa safira teny an-tanany. Teo anefa vao fantatra fa mpisoloky ireo roa lahy nanome safira hosoka ary mpiray tendro amin’ity asa ratsy ity ireo nanatona azy. Mitohy ny fanadihadiana.

    Henintsoa Hani

    Les commentaires sont fermées.