Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Faha20 taona: hanao seho miavaka etsy amin’ny Le Glacier ny tarika Koike

    Faha20 taona: hanao seho miavaka etsy amin’ny Le Glacier ny tarika Koike

    Noho ny fangatahan’ny mpankafy, izay nifanotona indrindra amin’izao faha 20 taonan’ny tarika Koike izao, hanao seho miavaka etsy amin’ny Le Glacier Analakely izy, rahampitso zoma 14 janoary izao, manomboka amin’ny 8 ora alina. « Feo mangan’ny Gasikara, Koike, Fitiavanao », ireo ny teny hoenti-manamarika ny fampisehoana amin’izao fankalazana ny faha20 taona izao.   

    Koike na Joselito… Feno 20taona nihirana izy ankehitriny, Raha ny taona 2002 no nanomboka hita teo amin’ny sehatry ny zavakanto novoizin’ny  haino aman-jery. Anisan’ny hira nahafantarana azy ny « Horake », « Aia’ty hombagne », « Aza manary toky », « Hiezaka », « Fisarahana », « Biby masiake », « Fitiavanao », « Tsy hiala aminao »… Mampiavaka ity mpanakanto ity ilay hirany izay tsy lany hamamiana ka mbola hoentiny mitety faritra maro mandraka ity ny androany. Araka izany tsy hijanona eo fa hitohy any amin’ny faritra ny fankalazana ny faha20 taona.

    Narilala

    Les commentaires sont fermées.