Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Fakana an-keriny: votsotra ilay vehivavy bevohola, atao hazalambo ireo jiolahy

    Fakana an-keriny: votsotra ilay vehivavy bevohola, atao hazalambo ireo jiolahy

    Avotra teny amin’ireo jiolahy mpaka an-keriny ilay vehivavy mitondra vohoka natao takalonaina, ny faran’ny taona teo. Hatramin’ny ora nanoratanay farany, mbola anatin’ny famotorana ireo zandary avy ao Moramanga, misahana ny fanadihadiana. Napetraka ihany koa ny paikady rehetra hisamborana ireo mpanao ratsy.

    Monina ao amin’ny tanànan’i Soamangana, atsinanan’Amboasary Gara, 60km avaratr’i Moramanga, amin’ny lalam-pirenena faha-44 ilay lasibatra. Tamin’ny 30 desambra lasa teo no natao takalonaina izy, araka ny loharanom-baovao iray. Nambarany fa mitentina 130 tapitrisa Ar ny tambim-bola takin’ireo mpaka an-keriny ho famotsorana azy. Taorian’ny ady varotra anefa, nidina ho 100 tapitrisa Ar izany ary latsaka 95 tapitrisa Ar indray. Araka izany, nanome fe-potoana handoavana io vola voalaza etsy ambony io ireo malaso. Nitady mpividy maika ny trano, tany sy ny fananana rehetra ireo fianakaviana mba hahitana ilay lelavola voatondro. Mifindrafindra toerana ireo jiolahy miaraka amin’ny hazany, saingy miresaka an-telefonina matetika amin’ireo fianakavian-dravehivavy, araka ny loharanom-baovao hatrany. Avy ao Ambohibolakely, kaominina Morarano Gara io vehivavy nalaina an-keriny io. Toerana nahasamborana an’i Del kely. Miahiahy, araka izany, ireo fianakaviana fa sao mbola ekipan’io jiolahy raindahiny io ihany ireo nahavanon-doza ireo.

    Henintsoa Hani

    Les commentaires sont fermées.