Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Federasion’ny basikety: misokatra ny fandraisana ho Tale teknika nasionaly

    Nisokatra, omaly, ny fanaterana ny antontan-taratasy ho Tale teknika nasionaly (DTN), eo anivon’ny Federasiona malagasy ny taranja basikety (FMMB). Nivoitra izany, taorian’ny fivoriana nataon’ny komity mpanatanteraka, ny herinandro lasa teo. Araka izany, ankoatra ireo fepetra takina voasoratra ao amin’ny fampitam-baovao navoakan’ny federasiona, mila manaraka ny voalaza ao anatin’ny “termes de références” ireo manana faniriana ny hifaninana ho eo amin’ny toeran’ny DTN, mandritra ny fe-potoana 2022-2025 hitantanana. Anisan’izany ny fankatoavana ny andraikitr’izany Tale teknika nasionaly izany, ny fananana ireo diplaoma rehetra takina, toy bakalorea+4, ny fananana ny mari-pahaizana federaly Niveau 2 avy amin’ny Fiba Afrika. Eo koa ny diplaoma momba ny fampianarana EPS sy ny maro hafa, hita ao anatin’ny taratasy fampahafantarana. Hifarana ny 11 febroary 2022 izao ny fandraisana ny antontan-taratasy. Hamoaka ny anaran’ny DTN vaovao, rehefa avy nandinika ny filatsahana sy nampanao “entretien” azy ireo tsirairay ny birao mpitantana tarihin’ny filohan’ny FMBB, Ramaroson Jean Michel.

    Mi.Raz

    Les commentaires sont fermées.