Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Fikaroham-bahaolan’ny minisitry ny Fitsarana: mbola ady hevitra be ilay volamena atsy Kaomoro

    Fikaroham-bahaolan’ny minisitry ny Fitsarana: mbola ady hevitra be ilay volamena  atsy Kaomoro

    Mbola iadian-kevitra ary mety mbola ho sarotsarotra ny toe-draharaha. Hifampiresahana eo amin’ny solontenam-panjakana malagasy, amin’ny alalan’ny minisitry ny Fitsarana, Imbiki Herilaza sy ny mpitondra kaomorianina ny momba ilay volamena 49kg sy ireo teratany malagasy roa, voasarigontra amin’izany.  Efa any amin’ity Nosy ity hatry ny afakomaly ny delegasiona Malagasy ary mbola mitohy ny dinika eo amin’ny roa tonta. Nanambara ny minisitry ny Raharaham-bahiny Kaomorianina fa tokony hitondra fanazavana amin’ny mpanao gazety ny momba ity raharaha ity ny minisitra Imbiki Herilaza. Tsy mbola nirosoana aloha izany hatreto noho ny tokony hijerena ny fifanarahana fiaraha-miasa eo amin’ny fitsarana roa tonta, eo amin’ny lafiny ara-pitsarana. Eo koa ny tokony hanajana izany.  Tafiditra ao anatin’izany ny famerenana an-tanindrazana ilay volamena sy ireo teratany malagasy roa, tazonina am-ponja vonjimaika any am-ponja any Kaomoro, amin’izao fotoana izao.

    Lavin’ny atsy Kaomoro marindrano

    Miakatra koa anefa ny feo any an-toerana fa tsipahin’ny fanjakana kaomorianina marindrano ny hamerenana eto Madagasikara izany harem-pirenena izany satria efa tsy antsika intsony izany ilay volamena, raha ny tokony ho izy.  Niraisan’ny roa tonta hevitra aloha hatreto ny amin’ny iandrasana ny valin’ny fanadihadiana sy ny famotorana momba ity raharaha ity. Mandra-piandry izany, mbola any am-ponja vonjimaika izany izao ireo olona 10, ahina ho voasaringotra amin’izao fanondranana an-tsokosoko harem-pirenena izao. Efa nambaran’ny lehiben’ny fampanoavana kaomorianian, ny herinandro teo fa tambajotra goavana ary efa nahavita nanondrana in-11 volamena, nihazo tany amin’ity firenena ity, nalefa any Dubai izy ireo, nanomboka ny septambra, hatramin’ny desambra teo.

    Synèse R.

    Les commentaires sont fermées.