Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Fitantanana: nahazo talem-paritra vaovao ny Bianco Toamasina

    Notanterahina ny talata teo ny famindram-pitantanana teo amin’ny talem-paritry ny Bianco Toamasina, teo aloha, Razakamanantsoa Gaby Nestor sy ny vaovao,  Andriamahenisoa Aina Nomenjanahary. Tafiditra amin’ny finiavan’ny Bianco amin’izao taona vaovao izao ho amin’ny fanohizana hatrany ny ezaka iadiana amin’ny kolikoly izany. Nivoitra tamin’ny lahateny fa fanamby goavana ny ahazoana vokatra mivainga manoloana izany ady izany.

    Notsindrin’ny tale jeneralin’ny Bianco, Andrianirina Laza kosa fa zava-dehibe ny fitondran’ny olom-pirenena ny anjara biriky hiatrehana ny fihanaky ny kolikoly sy ny handavana hatramin’ny farany izany eo amin’ny fiainana andavanandro.

    Tsiahivina fa anisan’ny niatrika izao lanonana tsotra izao ireo manampahefana ao an-toerana. Anisan’izany ny eo anivon’ny prefektiora sy ny kaominina Toamasina ary ireo avy amin’ny sehatra tsy miankina sy ny fiarahamonim-pirenena.

    Synèse R.

    Les commentaires sont fermées.