Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Mihamahery vaika: afaka enim-bolana vao tena foana ny delestazy

    Mihamahery vaika: afaka enim-bolana vao tena foana ny delestazy

    Nitsidika ny toby famokarana herinaratra any Andekaleka ny filoha Rajoelina, ny alatsinainy teo. Nambarany fa ahina ho fanahy iniana ny fanimbana nampipoaka ny vata mpanova herinaratra “transformateur”, fa tsy tongatonga ho azy. Ankoatra izany, hisy “transformateur” fahefatra hanampiana ireo telo, hanampy ny tanjaky ny herinaratra, ka hitotaly 128 MW izany, raha 90 MW no vokarina hatramin’izay. Afaka enim-bolana ny asa fametrahana azy ka hihodina araka ny tokony ho izy ny toby. Marihina fa avy any Andekaleka ny 40%-n’ny herinaratra mamatsy ny tambajotra Antananarivo sy ny manodidina (RIA), ary avy amin’ny toby mihodina amin’ny gropy vatsiana solika (termika) sy avy amin’ny masoandro ny ambiny.

    Tsy ampy solika

    Araka izany, mitohy ny fanapahana mihodina ny herinjiro ato amin’ny tambajotra RIA. Vao mainka mahery vaika izany, raha nanomboka ny alatsinainy teo, satria naharitra adiny fito, adiny iray ny antoandro, adiny enina ny hariva, raha voalaza fa tokony ho adiny roa ihany. Voalaza fa tsy ampy ny solika vatsin’ny orinasa tsy miankina iray, mamatsy ny Jirama no antony. Tsy fantatra ny tohiny hatreto.

    Njaka A.

    Les commentaires sont fermées.