Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Nilatsaka ny fampitandreman’ny Seg : “Tsy azo ekena izany fanakorontanana izany…”

    Nilatsaka ny fampitandreman’ny Seg : “Tsy azo ekena izany fanakorontanana izany…”

         Hentitra ary nahitsy manoloana ny mpanao politika. “Tsy hisy eto ary tsy azo ekena ny fanakorontanana. Avelao hiasa ny fitondram-panjakana. An’ny rehetra io fitondram-panjakana io, na ny nifidy azy na tsia”, hoy ny sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena (Seg), ny jeneraly Gellé Serge, tamin’ny andro ho an’ny manamboninahitra, teny Iavoloha, omaly, manoloana ny fihetsiky ny mpanohitra sasany.Nanteriny fa fitsipi-pifehezana izany. ”Mieritreritra isika hoe baolina kitra… Misy ny eo ambony kianja: ny mpitsara sy ny mpilalao. Rehefa tsy ao anatin’izany ny tena, mipetraha eny amin’ny “tribune”. Miandry anjara, fa misy an’izany ny zava-drehetra”, hoy ihany izy.   

    Mipetraha ny tena eo amin’ny toeran’ny olona iray: korontanina hatrany izy. Inona no asa vitany? Avy eo, homena tsiny izy.

    Herim-pamoretana

    “Na iza na iza eo amin’ny fitondrana, mitandro ny filaminana hatrany izahay. Fianakaviana iray isika izao eto Madagasikara: ny efa teo, miverina; lasa kely, dia miverina… Izahay, izahay hatrany”, hoy izy. Mba ialao ny fitenenana hoe herim-pamoretana ny mpitandro filaminana rehefa tsy ny tena no eo amin’ny fitondrana. Nefa rehefa tonga eo amin’ny fitondrana ny tena indray andro any, tsy herim-pamoretana intsony izy ireo. Nefa mbola izahay ihany no izahay, hoy ihany izy. Tsy mety izany, fa aleo mba hialana. Mitandro filaminana amin’ny lafiny rehetra izy ireo.

    R. Nd.

    Les commentaires sont fermées.