Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Tatitry ny depiote Rodin: « Lavitry ny fampandrosoana ny tantsaha »

    Tatitry ny depiote Rodin: « Lavitry ny fampandrosoana ny tantsaha »

    Nahitsy ny depioten’ambanivohitra, Rakotomanjato Rodin.  “Mihasahirana sy mahantra hatrany ny tantsaha. Ianjadiana olana marolafy ny mponina ambanivohitra. Anisan’izany ny ao amin’ny kaominina Talata Tsimadilo, Arivonimamo”, hoy izy. Nanteriny fa tara ny rotsakorana, ratsy ny fambolena, ratsy ny lalana, manjaka ny halatr’omby. Ny omby sisa tsy lasan’ny dahalo aripaky ny aretin’omby, araka ny fitarainan’ireo tantsaha. Ny fanabeazana ho an’ny taranaka, tsizarizary lalandava. Miantraika any amin’ny aty vilanin’ny tantsaha ny fiakaran’ny vidim-piainana. Miakatra ny fandaniana amin’ireo lahasa ho an’ny fambolena sy ny fiompiana. “Tsy mifanaraka amin’izany ny vokatra miakatra noho ny fiovaovan’ny toetrandro. Manampy trotraka ny fahamoran’ny vidim-bokatra eny ifotony », hoy ihany izy.

    Na izany aza, nahatsangana efitrano fianarana mirefy 14 m ny fokontany miisa roa ao Tsimadilo, vokatry ny fiaraha-mientan’ny ray aman-dreny, tsy nisy tohana avy amin’ny fanjakana . Efa ianaran’ny mpianatra io sekoly io, saingy tsy mbola voatafo. Nanolotra fanitso sy simenitra ny depiote Rakotomanjato Rodin. « Aoka hohenoina ny feon’ny tantsaha, ary vahana ny olany. Anisan’ny avokavoky ny toekarena izy ireo”, hoy izy.

    Synèse R.

    Les commentaires sont fermées.