Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Tenisy – Open d’Australie: nihintsana i Tessah Andrianjafitrimo

    Tenisy – Open d’Australie: nihintsana i Tessah Andrianjafitrimo

    Niato teo amin’ny fihodinana faharoa ny dian’Andrianjafitrimo Tessah, teo amin’ny fiadiana ny «Open d’Australie», taranja tenisy. Fihaonana nanomboka ny alahady 9 janoary lasa teo, tao Melbourne. Resin’ilay Aotrisianina, i Julia Grabher tamin’ny seta 2 no ho 0 (7/5 ; 6/2). Azo lazaina fa nanohitra ihany i Tessah, teo amin’ny seta voalohany fa niseho kosa ny traikefan’i Julia teo amin’ny seta faharoa.

    Marihina fa mpilalao faha-196 eran-tany i Julia ary efa imbetsaka nandrombaka amboara teo amin’ny “Circuit ITF”. Tsy nampitsanga-menatra kosa ny zava-bitan’i Tessah, tamin’ity satria nandavo an’i Zhu Lin, lohalaharana ao amin’ny vondrona fahatelo, nandritra ny fihodinana voalohany. Lavony tamin’ny seta 2 no ho 1 (6/2 ; 7/6 (5) ; 6/3) ity teratany sinoa ity, izay laharana faha-114 maneran-tany.

    Marihina fa mpilalao kalazavavy efatra no nihintsana teo amin’ny fihodinana voalohany, tamin’ity ka anisan’ireny i Chloe Paquet sy i Aleksandra Krunic.

    Tompondaka

    Les commentaires sont fermées.