Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Tontolon’ny jazz sy tendry gitara: hiverina an-tsehatra amin’izay i Fanaiky

    Tontolon’ny jazz sy tendry gitara: hiverina an-tsehatra amin’izay i Fanaiky

    Vaovao lehibe sady nahafaly ny tontolon’ny zavakanto malagasy ny nahafantarana, omaly, fa hiverina eny an-tsehatra amin’izay i Fanaiky, rehefa nandalo tsy fahasalamana tao anatin’ny fotoana naharitraritra. Fanaiky, andrarezin’ny fitendrena ny gitara beso, filalaovana ny jazz, sns. Raha ny fandaharam-potoana nomaniny, ao amin’ny Ivokolo Cemdlac Analakely, no hihaona indray amin’ny mpitia zavakanto izy ny 30 janoary ho avy izao, manomboka amin’ny 4 ora tolakandro. Fampisehoana tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha-35 taona niakarany an-tsehatra. Hiaraka aminy amin’ity seho ity i Bolo Rakoto David  hitendry ny zavamaneno ravaka, i Njakanirina Rakotonirainy hitendry ny vatamaroafitsoka sy ny melodic ary i Tsanta Randriamihajasoa, hitsoka traompetra sy sodina ary flugelhorn. Fantatra fa noferana ho 100 ihany ny mpijery ho fanajana ny fepetra ara-pahasalamana.

    Raha tsiahivina, iray amin’ireo andrarezina amin’ny filalaovana gitara beso i Fanaiky. Ankoatra ny tarika Solomiral misy azy, mpanakanto maro no miara-miasa aminy noho io fananany talenta sy traikefa matanjaka io. Na Malagasy na ry zareo vahiny, samy miloa-bava fa “Miresaka avy hatrany ny gitara raha vao raisin’i Fanaiky”.

    HaRy Razafindrakoto

    Les commentaires sont fermées.