Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Zon’ny mpanjifa sy Vitogaz: nozahana ny lanjany raha mifanaraka amin’ny vidiny

    Zon’ny mpanjifa  sy Vitogaz: nozahana ny lanjany raha mifanaraka amin’ny vidiny

    Mitohy ny asan’ny minisiteran’ny Indostria, ny varotra sy ny fanjifana (MICC) amin’ny fiarovana ny mpanjifa. Amin’ny Foiben’ny varotra sy ny fanjifana, nanaovana fitsirihana tampoka, omaly, ny varotra Vitogaz teny amin’ny toby Shell eo Behoririka sy Supermaki Ankadifotsy. Nozahana ny lanjan’ny Vitogaz raha mifanaraka amin’ny fampihenam-bidy nifampiraharahana.

    Io no gazy be mpampiasa indrindra nifampiresahana tamin’ny fanjakana, ka izay no tsy maintsy nanaovana fanaraha-maso. “Hatramin’izao, tsy mbola nisy ny Vitogaz latsaka ambany ny lanjany, 12 kg sy 9 kg, mifanaraka amin’ny vidiny nifanarahana,71000 Ar sy 51800 Ar, talohan’ny septambra 2021 niakatra 16  %. Misondrotra ny vidin’ny gazy eran-tany, ankehitriny ka ho hita eo ihany ny fifampiraharahana izay hatao”, hoy ny talen’ny varotra sy ny fanjifana, Randrimananjara Andrianiaina. Misy tsy tapaka izy io, ary mandeha tsara ny varotra, araka ny fanamarihana avy amin’ny Shell. Mitohy ny fifanakalozan-kevitra amin’ny mpandraharaha hafa. 

    Ny PPN rehetra

    Tsy ny gazy ihany fa ny PPN rehetra no arahi-maso ka manasazy izay mihoa-pefy izahay na hoe fanalalahana aza. Saingy manentana ny mpivarotra izahay mba hifanaraka amin’ny lalànan’ny varotra ny ataony”, hoy ny talen’ny varotra sy ny fanjifana. Ohatra, nambarany ny fanagiazana ny entana efa lany andro, fandoavana lamandy any amin’ny Tahirimbolam-panjakana, miafara amin’ny fanakatonana tsena. 

    “Vary tsinjo”, ohatra, tsy mitovy amin’ny “stock tampon” mahazatra fa vary tsara kalitao, saingy misy fotoana afangaron’ny mpivarotra amin’ny vary hafa, dia asondrotra kely ny vidiny 50, na 100 Ar, hoy hatrany ny fanamarihan’ny mpanara-maso.

    Ndrina

    Les commentaires sont fermées.