Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Fepetra ara-pahasalamana: Be ny tandrevaka ao Toamasina

    Fepetra ara-pahasalamana: Be ny tandrevaka ao Toamasina

    Mampanahy ny hifehezana ny “Covid-19” sy valanaretina maro ao Toamasina, raha ny tranga hita etsy sy eroa. Nilaza ny tomponandraikim-panjakana fa haverina ny fanaraha-mason’ny mpitandro filaminana eny amin’ny sampan-dalana rehetra. Eo koa ny famendrahana ranom-panafody ireo fitaovam-pitaterana. Manao tandrevaka anefa ny sasany. Anisan’izany fianakavian’ireo maty noho ny Covid-19. Nisy pasitera iray namoy ny ainy ny alatsinainy teo ary noporofoin’ny mpitsabo fa matin’ny Covid-19. Rehefa tsy nandray andrakitra nikarakara ny razana ny tao amin’ny tobim-pahasalamana, nentin’ny fianakaviana sy ny mpiray fiangonana hanaovana fiandrasam-paty tany am-piangonana izany raha tokony ho tsy azo atao, araka ny lalàna mifehy ny valanaretina. Tokony alevina avy hatrany. Mbola ny mpitandro filaminana sy ny mpiasan’ny fahasalamana ihany koa no tokony miditra an-tsehatra mandevina ny razana aorian’ny fikarakarana ialana amin’ny fitangoronana. Ny fianakaviana ihany no nanatanteraka izany ny talata tolakandro.

    Mbola tsy hita amin’ny zotra rezionaly manaraka ny lalam-pirenena faharoa koa ireo sakana ara-pahasalamana ho an’ny mpitatitra. Tsy miraharaha ny arovava sy orona ary tsy mampiasa tsiranoka fanadiovan-tanana ny mpamily. Mitazam-potsiny ireo mpitandro filaminana.

    Sajo

    Les commentaires sont fermées.