Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Fidiran’ny mpianatra sy fitaterana: nahazo ranom-panafody ny Dren sy ny “Gare routière”

    Nanolotra fitaovam-pidiovana sy ranom-panafody famonoana tsimokaretina ho an’ny Dren sy ireo Cisco valo eto amin’ny faritra Analamanga, hiatrehana ny fidirana an-tsekoly amin’ny alatsinainy ho avy izao, ny ekipan’ny ministeran’ny Rano, fanadiovana sy fidiovana. Iadiana amin’ny Covid-19 izany. Hotsinjaraina ho an’ny sekoly rehetra ny ranom-panafody ka hahazo ny anjarany koa ny sehatra tsy miankina. Nomena 50 litatra isaky ny mpitantana sekoly. Efa niroso tamin’ny fandrarahana ranom-panafody teny amin’ny toeram-pampianarana teknika koa ny minisiteran’ny Fampianarana teknika ho fiomanana amin’ny fiverenana an-dakilasy.

    Ankoatra izany, nanome fitaovana ho an’ny fidiovana teny amin’ireo tobim-piantsonan’ny fiara fitaterana taksiborosy eto Antananarivo koa ny minisiteran’ny Rano. Nitety ireo tobim-piantsonana « Gare routière » ny talem-paritra eto Analamanga. Ahitana “HTH” fanafody famonoana tsimokaretina, fitaovana famendrahana, savony ary EPI (aron’akanjo, kiraro baoty, fonon-tanana sy solomaso) ireo nozaraina teny amin’ny Gare routière Maki Andohatapenaka, Fasan’ny karana, Ampasampito ary Antohomadinika.

    Nofendrahana fanafody avokoa ireo fiara niantsona teny an-toerana ary mbola mitohy ny hetsika famendrahana fanafody ataon’ny ministera hatrany amin’ny faritra.

    Vonjy

    Les commentaires sont fermées.