Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Filoha Rajoelina: « Avo roa heny ny vola nanaovana ny seranan’Ivato vaovao»

    Nahitsy ny filoha Rajoelina, nanazava ny tsy ara-dalàna sy tsy ara-drariny maro, mikasika ny nanamboarana ny seranam-piaramanidina vaovao eny Ivato, tantanin’ny Ravinala Airports, raha nihaona tamin’ny mpanao gazety, ny zoma 7 janoary teo. Tsy araka ny nifanarahana  ny velaran’ny fanitarana, izay tokony ho 21.000 m2 nefa nahena 17.500 m2. Lafo avo roa heny anefa ny vola nampiasaina raha oharina amin’ny habe mifanahantsahana aminy, satria nandaniana 240 tapitrisa dolara raha tokony ho maherin’ny 100 tapitrisa dolara.

    Ankoatra izany, nomarihiny fa nahagaga ny fotodrafitrasa tsy mbola vita nefa efa nitaky saram-piantsonan’ny fiara miditra ao amin’ny tokotany fiantsonana eny amin’ny seranan’Ivato izay lafo dia lafo sahady ny mpitantana.  Tsy neken’ny filoha Rajoelina koa ny hofan’ny fiantsonan’ny fiaramanidina izay avo 100 heny, ary napetrany fa tsy maintsy nahena 50% ny saran’ny fiantsonan’ny fiaramanidina an’ny Air Madagascar, ny volana desambra 2021 teo. Takian’ny filoham-pirenena ny hanaovana fanadihadiana lalina mikasika ity fotodrafitrasa ity, ary voakasik’izany koa ny seranam-piaramanidina any Nosy Be, samy tantanin’ny Ravinala Airports.

    Tsiahivina fa nosazian’ny Banky iraisam-pirenena ny orinasa Colas Madagascar, nanao ny fotodrafitrasa, sy ny orinasa frantsay Aéroport de Paris (ADP), tsy mahazo tolotrasa amin’ireo asa na tetikasa vatsiany vola, mandritra ny roa taona.

    Njaka A.

    Les commentaires sont fermées.