Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Fiverenan’ny fampianarana: mamendraka fanafody eny an-tsekoly ny CUA

    Fiverenan’ny fampianarana: mamendraka fanafody eny an-tsekoly ny CUA

    Mitety ireo sekolim-panjakana toy ny EPP, CEG ary Lycée ny CUA mamendraka ranom-panafody mamono mikraoba sy bibikely ho fandraisan’anjara amin’ny fiatrehana ny fiverenan’ny mpianatra an-tsekoly. Mahatratra 117 ireo sekoly hotetezina hanatanterahana izany eto an-dRenivohitra.

    Tanjona ny hiarovana ireo mpianatra amin’ny valanaretina covid-19 any an-tsekoly. Kendrena ny fahafahan’ny mpianatra manohy fianarana am-pilaminana na eo aza ny valanaretina izay mihaka ankehitriny. 

    Hifarana ny alahady izao

    Nanomboka ny alarobia teo ny hetsika famendrahana ranom-panafody ka tsy hifarana raha tsy amin’ny alahady 17 janoary izao mihitsy. Ankoatra ny sekolim-panjakana, andrarahana fanafody ihany koa ireo sekoly miahitena sasantsasany eto an-dRenivohitra.

    Teny amin’ny Lycée Jules Ferry Faravohitra  sy teny amin’ny EFF Faravohitra ary teny amin’ny EPP Behoririka no nandrarahana fanafody, omaly. 

    Fiaraha-miasan’ny CUA sy ny BMH ary ny minisiteran’ny Rano sy ny fidiovana ary ny fahadiovana nahafahana nanao izao famendrahana izao.

    Tatiana A

    Les commentaires sont fermées.