Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Haihaingo: hanandratra ny vita malagasy ny “Mihamy Mada Fashion”

    Haihaingo: hanandratra ny vita malagasy ny “Mihamy Mada Fashion”

    Tsy miova ny tanjona: hanandratra ny hakanton’ny “Vita malagasy”. Hivelatra kosa ny andiany fahatelo amin’ilay hetsika “Mihamy Mada Fashion”, raha ny fanazavana azo avy amin’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina, mpikarakara ity hetsika lehibe ho an’ny tontolon’ny haihaingo ity.
    Fantatra fa hotontosaina ny 12 hatramin’ny 14 febroary ho avy izao, etsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena ny andiany fahatelo amin’ny “Mihamy Mada Fashion”. Efa nisokatra ary hikatona 22 janoary ho avy izao ny fisoratana anarana, ho an’ireo mpandray anjara eto an-toerana, liana amin’ity hetsika ity. Voakasik’izany ny olona na vondron’olona izay mamokatra asa vita malagasy, mitondra hevi-baovao amin’ny fampandrosoana ireo famoronana eo amin’ny sehatry ny haihaingo na mpisehatra eo amin’ny tontolon’ny lamaody, toy ny taovolo, taokiraro, taofiravaka, hairary, haihatsarana, haizaitra, haisaripika ara-lamaody, snHivelatra satria maro ny lesona azo tsoahina tamin’ireo andiany roa voalohany. Maro ihany koa ny hevitra nitsiry hanatsarana ny hetsika, sy ny aingam-panahy vaovao ho an’ireo mpamoron-damaody. Efa nisy ny fanentanana isam-paritra natao, satria ny haihaingo malagasy manerana ny Nosy no tiana hasongadina amin’ny hetsika. Ankoatra ny filatroana, samy hanana tranoheva hanehoany ny sanganasany ireo mpamorona. Hisy koa ny “masterclass” hanabeazam-boho sy hifampizarana ny traikefa, ary handravaka ny hetsika ny fampisehoana hira sy dihy.

    Zo ny Aina

    Les commentaires sont fermées.