Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Hetsiky ny polisy: sarona ny mpangalatra moto sy mpanao vola sandoka

    Hetsiky ny polisy: sarona ny mpangalatra moto sy mpanao vola sandoka

    Mampitaraina ny olona ny fiparitahan’ny vola sandoka. Mirongatra ny halatra moto ao an-tampon-tanànan’i Mananara Avaratra. Manoloana izany, nanao hetsika ny polisy hamongorana ireo tambajotran-jiolahy mpangalatra moto. Voalazan’ny fampitam-baovao avy amin’ny polisy, ny talata 4 janoary alina, nitrangana halatra moto tao amina hotely iray any an-toerana. Very tamin’izany, ny moto iray an’olona mipetraka any an-toerana. Nametraka fitoriana ny tompon’ilay moto ka niainga avy amin’izany ny fanadihadiana sy ny fikarohana nataon’ny polisy. Vokany, telo lahy indray voasambotra tao Antetezambe Mananara Avaratra. Tsy tao an-tranon’izy ireo intsony ilay moto nandritra ny fisavana natao. Sarona tamin’izany ny vola sandoka miisa 31 amina lelavola 20 000Ar. Nentina nanaovana fanadihadiana avy hatrany ireto jiolahy ireto ka fantatra fa efa lafon’ireo mpangalatra ny moto.

    J.C

    Les commentaires sont fermées.