Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Jiolahy raindahiny: voasambotra rehefa avy nampiasa anarana hafa

    Tra-tehaky ny polisy tao Mandritsara, afakomaly, ilay jiolahy raindahiny amin’ny fanafihana mitam-piadina. Tsy zoviana amin’ny polisim-pirenena tokoa ny anaran’ity olon-dratsy ity noho izy efa nokarohina hatramin’ny volana martsa 2020. Voatonona matetika amin’io asa ratsiny io izy ary efa nokarohin’ireo polisy avy ao Antsiranana sy Antsohihy ihany koa.

    Nody ventiny izany ny rano nantsakaina noho izy tratra tao Ankijanilava, fokontany Ambaripaka-Mandritsara, ny alarobia teo, tokony ho tamin’ny 07 ora maraina. Hita tamin’ny fisavana azy fa efa nanova ny mombamomba azy rehetra ity olon-dratsy ity. Araka izany, nampiasa karapanondro hosoka misy anarana hafa izy. Fantatra ihany koa fa isan’ireo nanao fanafihana mitam-piadina tao Bealanana ny alin’ny 27 desambra teo ity voasambotra ity. Mbola mitohy ny famotorana azy raha nogiazana kosa ireo taratrasy hosoka nampiasainy.

    Henintsoa Hani

    Les commentaires sont fermées.