Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Kitra – Can 2022: hiady voalohany ho an’ny vondrona “B” i Sénégal sy i Ginea

    Kitra – Can 2022: hiady voalohany ho an’ny vondrona “B” i Sénégal sy i Ginea

    Andrasan’ny rehetra fatratra amin’ity anio ity, ny fifanandrinan’i Sénégal sy i Ginea, eo amin’ny andro faharoa hiadiana ny amboaran’i Afrika (Can 2022), vondrona “B”. Hiady izay ho lohany izy ireo, amin’ity.

    Fihaonan’ny samy mpandresy ny an’ny Lionan’i Teranga, avy any Sénégal sy ny Syli National an’i Ginea Konakry, ho an’ny vondrona “B”, anio. Lalao hotanterahina ao amin’ny kianja Kouekong. Hiady izay ho lohany izany ny roa tonta, amin’ity.

    Raha ny fihaonana teo amin’ny roa tonta aloha, efa inenina nidona izy ireo teo amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, nanomboka ny taona 2015 ka hatramin’ny 2019. Samy nandresy intelo avy izy ireo, tamin’izany. Hifampitana amin’ity i Naby Keita sy i Mané, izay samy mpilalaon’ny Liverpool.

    Sahiran-tsaina anefa ny mpanazatra an-dry zareo gineanina satria mpilalao efatra mirahalahy no fantatra fa mitondra ny tsimokaretina Corona virus, amin’izao. Na izany aza anefa,  nanambara ny fahavononany, hatrany ireo gineanina. Ankoatra izay, fifandonan’ny samy resy kosa ny an’i Malawi sy i Zimbaboe. Tsy maintsy hanao izay ho afany ny roa tonta hitady fandresena raha mbola te hanohy ny dia. Tsy ho avotra intsony mantsy izay resy eo.

    Anisan’ny lalao arahin’ny rehetra maso akaika koa ny fifanandrinan’i Kaomoro, amin’ny Liona-n’i Atlas avy any Maraoka. Tsiahivina fa efa manana isa 3 ny Maraokanina raha tsy mbola mitoko ny kaomorianina.

    Tompondaka

    Zoma 14 janoary

    Kianja Kouekong

    04 :00 – Sénégal – Ginea  (B)

    07 :00 – Malawi – Zimbaboe (B)

    Kianja Ahmadou – Ahidjo

    07 :00 – Maraoka – Kaomoro (C)

    10 :00 – Gabon – Ghana (C)

    Les commentaires sont fermées.