Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Nilomano niaraka tamin’ny namany: teratany karana iray tsy hita popoka

    Hatramin’ny ora nanoratanay farany, tsy mbola hita ilay lehilahy teratany karana lasan’ny rano tao Farafangana, afakomaly. Mitohy ny fikarohana azy saingy niato izany noho ny toetr’andro avy orana ao an-toerana. Araka  ny fanadihadiana, avy any Vangaindrano ary namonjy banky tao an-toerana io teratany karana io sy ireo namany ny alarobia teo. Taorian’izay, nilomano teo amoron’ny ranon’i Manapatrana, manakaiky ny vinany fihaonany amin’ny ranomasina teo amin’ny « Relax beach » i Kundil Sulaiman sy ireo namany roa hafa. Tampoka teo anefa, lasan’ny rano izy ary tsy hita popoka. Niala nenina nitady azy ihany ireo namany saingy tsy nahita azy intsony. Taorian’izay, nampandre ny zandary ireo naman’ity teratany indianina monina etsy Antsakaviro ity. Teo no ho eo ihany, nanao ny fikarohana ireo mpitandro filaminana ao an-toerana. Nampandrenesina mahakasika ny tranga ireo tomponandraikitra avy ao amin’ny Agence portuaire, maritime et fluviale.

    Henintsoa Hani

    Les commentaires sont fermées.