Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Tratran’ny vela-pandriky ny polisy…: lehilahy iray noraisim-potsiny teo am-pitsindronana héroïne

    Tratran’ny vela-pandriky ny polisy…: lehilahy iray noraisim-potsiny teo am-pitsindronana héroïne

    Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny PPA3 Ilanivato ny lehilahy iray, ny 10 janoary 2022 teny Andavamamba noho ny fitsindronana zava-mahadomelina mahery vaika “héroïne”.

    Raha ny tatitra voaray avy amin’ny polisy, nahazo loharanom-baovao izy ireo momba ny fisiana andian’olona mitsindrona héroïne ao amin’ny fari-piadidian’izy ireo. Nanao fanarahan-dia avy hatrany ny polisy ka nametraka ny velapandrika rehetra. Nahitam-bokany izany satria tratra teo am-pitsindronana héroïne tao amina tokantrano iray eny Andavamamba ny lehilahy iray 44 taona raha tafaporitsaka kosa ireo namany niara-nitsindrona taminy. Niroso tamin’ny fisavana ny trano ny polisy ka tamin’izany no nahitana ireo fitaovana maromaro fampiasan’izy ireo rehefa mitsindrona, toy ny fitsindronana, héroïne vao avy nojifaina tamin’olona nandalo. Nandritra ny fanadihadiana azy no nahafantarana fa mitsindrona héroïne indray mandeha isan’andro izy satria tsy mahavita asa amin’ny maha “mécanicien” azy raha tsy mahazo dozy avy amin’ny héroïne. Vidiany 2 000 Ar ny iray ka mahalany cocottes roa izy. Nilaza izy fa efa amam-bolana maromaro no nitsindrona héroïne, saingy izao kosa vao tratran’ny polisy. Niaiky ny heloka vitany izy nandritra ny famotoran’ny polisy.

    J.C

    Les commentaires sont fermées.